RAFAHANTRANA (IALY NOFY)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAFAHANTRANA

Tsy lehibe tsy zazakely
Miandahy sy miambavy .
Mitoetra an-tsena foana...,
Vokatry ny fahantrana .

Miraoka fakofako
Mitady ny sakafo .
Mangataka etsy sy eroa ;
Sitrany ahay mahazo vola .

Zazabodo toa adala
No mirenireny mahonena .
Tsy mba manana akany ,
Fa tafo lanitra ihany .

Ny fitafiana rovidrovitra
Maimbo lao lalandava .
Bibikely fotsifotsy ...Maintimainty !
No zahana andaniany ny fotoanany .

Ny vatana amin'izany
Ny tarehy aoka ihany .
Izany ve no fahantrana !
Toa maharikoriko , loza hisy fetra ?

Andray 'ty fahasahiako
Loza izany habibiako .
Mahery izany fitenenako ;
Lozanao ...Lozanao ry vavako .

Olombelona toa ahy
Mifanerasera amiko .
Saingy rafahantrana...;
No manjaka...Mahazo laka ?!

Mora resy nefa...,
Mety handresy ihany koa .
Ny fahantrana izay mitombo ...;
Miankina amiko sy ianao .

Aza hiandrasana olona
Na vahiny izay mitsidika .
Andao hiara hientana...,
Handavo fahantrana .


02.03 . 2024 IALY NOFY
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
360 23
Hevitra mandeha
MAROFAHAIZANA ( 19/03/2024 05:48)
Maro ny mpanoratra hitaka fa tsara tohanana ity zaza mpanoratra ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : Ialyandrianarivo
Daty : 05/03/2024 05:53
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153