NAMANA (IALY NOFY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA

Ny namana amiko
Mifampilaza ny mavesatra .
Mifampihinana ny manta sy ny masaka ;
Ary mifanome toro-hevitra .

Namana ve!
Raha tantaraina dia soa tokoa
Mampahery raha misy ny manjoa;
Fifankatiavana maharitra
No nitondrana ny fiainana .

Namana ve!
Tsy mba manary...
Na ny mora na ny mafy
Hasambarana hatrany
Raha misy namana ety an-tany .

Namana ve !
Na ao anaty ady
Isika mbola mitambatra
Na eo ireo mpanasaraka ;
Isika tsy maintsy misaraka .

" Sambatra aho manana anao ho namako"

03.03.22 IALY NOFY
--------
Rohy:
100 1
Mpakafy: Ialyandrianarivo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IALY NOFY
Nampiditra : Ialyandrianarivo
Daty : 29/02/2024 07:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744