REHEFA IRERY AHO ! (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa irery aho ;
dia ianao no ataoko an-tsaina,
banjiniko mangina
ao anaty fitoniana.

Ny anaranao no mamiko;
mipololotra eo am-bavako,
ka mahamirana ny tavako!

Ny angolanao no tsiahiviko;
hanafosafo ny aty foko
mba hampilefa ny toloko!

Ny tononkalonao rehetra
no kaloiko eo am-bavako eo
dia tonga hira misy feo!

Rehefa irery aho;
dia mombamomba rehetra
no tsianjery tadidiko,
ny ankoatr’izay tsy raharahiko!

01 Novambra 2014
--------
Rohy:
210 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 20/09/2023 09:07
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145