TSIA - Ilay FANAMBY
Azo vakiana?
"TSIA"
Ny teny hoe "tsia" dia fandavana avy hatrany
TSIA hoy ianao tamin'izany na mbola tsy ary akory aza lay teny,
dia tsia no navalinao ombeniombeny
Ny teny hoe TSIA dia nandoro ny atim-panahiko
TSIA hoy ianao namaly
lay vetsom-paniriana tany ho any,ka nangeza ity ankany.
TSIA hoy ianao teny ho eny,no vali-kafatra sesiheny,
tsia dia tsia fa tsy afaka hamaly,lay vetsonao hatrizao,
Rehefa tsia dia tsia hoy ianao nikalo,tsia satri ny ahy hono embona sendra nandalo
Eny,mafy re izany vali-kafatra izany,mafy satry manantena zary tomany.
Mijanona ho seto,indreny faniriana,mipetraka ho nofy ity vinavina.
Raha mba fatatrao,ny vina ao anatiko ao,
Dia tsapanao lay teny,ka iny tsia iny nanjary ho ENY
Indro fa manaiky aho,raha toa ka "TSIA"avy hatrany
eny fa manaiky ry foko mangina, fandrao mitomany.
(I.FB sy M.EV,Tsia, 25 -08-21)
Mombamomba
Mpanoratra : Ilay FANAMBY

Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 27/08/2021
Mpamangy : 179
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AnjelyAkaiky ny fotoana
Fitiavana
Raha tena tia
DIAVOLANA,(embona)
I Bako malala
TAKARIVA ANY ANTANĂ€NA
Satriko foana...
Eny anabakabaka eny
Mba efa fatatrao ve,...?