Tiako ianao,(1) (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiko ianao,Tiako ianao,
Fa aoka aloha ho amin'izao,
Tena mamiko tokoa,
Nefa makarary an-doha.
Tiako loatra,
Fa tsy afa-manohitra,
Tiako, tena tiako,
Endrey, zato faniriko.
Mamiko ianao,
Nefa endrey, zato endrikao,
Nanaitra ahy otr'izany,
Moa ve mba ho zakako ihany?
Iriko ianao,
Amin'ireo bikanao,
Ny fahalemenao no hotantaraina,
Resy aho fa tsy manan-kolazaina.
Tiako ianao,
Tiako tsy fotsiny toy izao ,
Fa tena tiako tokoa,
Efa niorina tany aloha.
(Ilay FANAMBY,tiko ianao, juin 2023)
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
