Ny sento (NY FANAMBY Nomenjanahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny sento,,
Sento hoy aho no anombohana
Ny kompantanana anio ry mpanohana
Seto satri mangoraka ny foko
ka indro hafaliana sahady ny eo imolotro

fa nahoana? Hoy ianao.
sento-pitia ve?
sentom-pahamanina ve?
aaa ka! Senton-kafaliana

Ny sento,
Iray ambetim-piainana foana
Tsy miala eo anoloana
Ary koa tsy ho diva
Na maraina na hariva

Ny sento,
Na faly ianao na mitomany
Dia "sento"foana ny any
eny! Manaraka anao hatrany

Ny sento,
Izy no hery iray ao anaty "ankany"
Dia ilay ankany tsy voavola aman-tany
Inona hoy ianao?
Ny "fo"izany

Maro ireo hery monina amin'io
fa ny sento aloha no kaloko anio
ka mahaiza manara tsara
zay harakitry ny mpenina ho tantara

MBOLA HITOHY
(NY FANAMBY Nomenjanahary,sento,19/05/23)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 19/05/2023 11:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011