You are here: home > Vetso

Anjely - Ilay FANAMBY

Azo vakiana?

Ilay anjely

Tovovavy iray,teny lavitra eny
No tazako  mipetraka toa manirery
  -Nahoana ianao? hoy aho nanontany
Nitompy izy nijery ,oay zato fiangolany!

hatsarana,habikana...meva re ianao ry andriambavy

Lafatra tsisy  tsikeraina
Raha ny bika aman'endrika no lazaina
Fa iza kay ianao?
No lafatra toy zao
  Fa de iza loatra
  No tsara tafahoatra  

NY Voary manodinana
mandravaka ireo toerana,
Resinao avikoa ry "andriam-bavy" fanamperana

Fa iza loatra kay ianao,
no tsara  amam-bika
Jereo ange zato endrikao e! fa fotsy manjopika
  
Hatsarana re izany,
raha mamy de Toa tantely
Tsisy otrizany fa....
ianao angamba no "ANJELY"

Oay,zato feonao e!
mikarantsana erÿ
Zato fa famindranao koa,
Tsisy otrizany raha etÿ


( Ilay FANAMBY,Anjely,  
  
février 2022)
  
- nosoahina avy tao anaty nofy(fahitana tao anaty nofy) ny aliny 20 février 2022)
  
Fanasongadiana ny toetran'ny anjely.