Ny soratra (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny soratra
Eny ry tanako, hanoratra ihany ve ianao, na dia maro aza ny efa mikasa,
Hanoratra ihany ve ianao, na dia betsaka aza ny efa voalaza?
Hanoratra ihany ve, dia inona no hambara?
Hanoratra aho satria mbola manana hafatra

Ny ainga ao anaty mametsovetso ny hikalo,
Mibaiko ny tanako handray zato penina na dia hoe handalo

Inoako anefa fa izay voasoratra tsy handalo,
Inoako satria penina hitoetra ary koa ho “diary” embona na tsiaro

Hanoratra ihany aho anio, hanoratra mba ho tantara,
Heveriko fa mbola tsy tara, na dia maro aza ny manana hambara

Hanoratra hikalo, hanoratra mba hitoetra,
Ny ainga izay manery, manery ary koa tsy mametra


(Ilay FANAMBY,Ny soratra(lanjany),mbola hitohy)
--------
Rohy:
749 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114