FiainanaI-2 (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao an-trano...Tonga izy roa vavy, ary mbola nanohy ny resany teo am-parafara,
Toa tsy tsapany akory ilay hanoanana.
— Kalo a, ndao ho any an-dakozia.
Sa mbola hanao karajia?
Ndry angaha tsy mba noana,
Sa ranom-boankazo no hosotroina?
— Aaaah! hoy i Kalo taitra tampoka,
sady nanala ity satroka.
Ka nampetrany moramora teo ambony sarobao.
— Oadray! hoy i Meva.
Ndry angaha adala sa ahoana?
Aiza ny sainao? Sa efa lanin'ny hanohanana?
— Meva ô... tena miala tsiny aho, hoy i Kalo namaly tamim-pisainana lalina.
Inona moa ilay nolazainao teo?
Izay mbola variana tamin'ny fiainany sy ireo olana nibahana tao an-tsainy.
Gaga i Meva nahita ny fiovan'ny namany.
Nodinihiny vetivety i Kalo, dia noraisiny moramora ny tanany.
— Kalo a, hoy izy tamin'ny feo malefaka,
sady nibitsika teo akaikiny.
Nahoana kay ianao no lasa misaintsaina foana?
Tsy misy seto, tsy misy marima-pientoana.
Alamino aky ny saina,
fa izany no fiainana.
— Misaotra, Meva, hoy i Kalo tamim-pahatoniana,
Misaotra satria mino aho fa ho sitrana ihany ireo feriko na oviana.
Nitsiky moramora i Meva raha nandre izany.
Nahatsapa izy fa na mbola feno ratra aza ny fon'i Kalo, dia efa manomboka mahita hazavana kely ihany.
Tsy nahandro vary izy roa tamin'io andro io,
Nivoaka naka rivotra indray ity mpinamana,
Fa nisakafo tao amin'ny hotely kely iray teny an-tanàna.
Saingy na dia niresaka sy nihomehy aza izy ireo, dia mbola nisy fanontaniana nibahana tao an-tsain'i Meva:
"Iza marina moa i Kalo?
Inona no tantara miafina ao ambadik'io tsy miteniteny arahana tsiky kely tsy lefy io?"
Vao mainka nitombo ny fahalianany hahafantatra ny tantaram-piainan'ilay namany, izay toa nitondra alahelo lalina nefa mbola nahavita nitsiky hatrany.
(Ilay FANAMBY,fiainana, 30/01/23)
--------
Rohy:
