I Bako malala - NY FANAMBY Nomenjanahary
Azo vakiana?
I bako malala
O ry Bako malala, Bakon-dranomaso Fanaradia foana
Refa zaho tsy eo anoloana,
Bako malala,raha ovina vao ho ritra ty ranomaso lava Kontsana eny an'tava.
Sa hijanona eto,
Homana ty seto
Inona no tianao ry Bako
Hataoko ato ho ato,
Tsy midika tsy fitiavana na koa finiavana
Rehefa handao
Fa lay FITIA tsy tiko ho akilabao
BAKO ô! Tiko enao Ka aza manao toy zao.
Entsy hofafako ny ranomaso de aza tomany
Fa ny ataoko dia noho ianao ihany,
Bako Ô! Mamiko ianao,
mahareta kely
Fa anao rery
Tsy ho ela akory
Na zaho ange mba ory
Nefa noho ianao de lasa sotr'izao
Zany aky ry BAKO,
handeha aloha zaho
aza miatolatolaka
Fa entsy horofako eny an-takolaka,
[Ilay fanamby,i bako malala septambre 2021)
Mombamomba
Mpanoratra : NY FANAMBY Nomenjanahary

Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 16/09/2021
Mpamangy : 338
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fiainana 1NY FIAINANA I
ASA RAHA MBA FATATRAO
Ny antsika malala
Ny FANAMBY
Tanàna haolo
Anjoanjoko samirery
Mety aminao ve?
Tena tia
Ny rariny,hitsiny ary marina ankehitriny(citation)