I Bako malala (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I bako malala

O ry Bako malala, Bakon-dranomaso Fanaradia foana
Rehefa zaho tsy eo anoloana

Bako malala, raha oviana vao ho ritra ty ranomaso lava kontsana eny an-tava
Sa hijanona eto
Homana ty seto

Inona no tianao ry Bako
Hataoko ato ho ato
Tsy midika tsy fitiavana na koa finiavana
Rehefa handao
Fa lay fitia tsy tiko ho akilabao

BAKO ô! Tiko enao ka aza manao toy izao
Entsy hofafako ny ranomaso de aza tomany
Fa ny ataoko dia noho ianao ihany

Bako ô! mamiko ianao
Mahareta kely
Fa anao rery
Tsy ho ela akory
Na zaho ange mba ory
Nefa noho ianao de lasa sotr’izao

Zany aky ry BAKO
Handeha aloha zaho
Aza miatolatolaka
Fa entsy horofako eny an-takolaka


[Ilay fanamby,i bako malala septambre 2021)
--------
Lien:
969 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121