Ny soratra (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny soratra,Eny ho eny, soratra tsy mijanona, manoratra izy mba ho valintanana
Hanoratra ihany aho, hanoratra mba ho andry iankinana,
Hanoratra ihany aho, hanoratra mba hanala fahanginana
Hanoratra ihany aho, hanoratra mba ho teny,
Hanoratra ihany aho, hanoratra hanidina eny ho eny
Hanoratra tokoa ve ianao?
Eny, hanoratra aho fa voairaka,
Hanoratra aho mba ho dinika
Hanoratra tokoa ve ianao?
Eny, hanoratra aho fa manana kambara,
Ho andrin’ny fiainana, rakitry ny tantara
Hanoratra aho mba ho ankon’ny penina,
Hanoratra fandrao hanenina
Ny soratra vita, penina mitoetra,
Hanambara ny ho sisa ary tsy mba hanjoretra
Ny soratra navela, diapenina haharitra,
Mijanona ho ela ary koa mitaona hisarika
Eny, dia hanoratra tokoa ve ianao?
Eny, hanoratra aho mba hitoetra,
Tsy ho ady zo miralenta
Hanoratra mba ho kalo,
Vetsovetsom-pahatsiarovana na koa hoe “tsiaro”
(ilay fanamby,ny soratra,24/08/21,....)
hafatra:Na tsy hita koa aza lay penina dia mbola mitoetra lay diam-penina,
--------
Rohy:
Sokajy :
Ny lanjan'ny soratra.
