RAVA... - ILIMIM JIVISDI
Azo vakiana?
Vetivety monja tsy tazana akory
Lasa tsy tamana ilay afo nampiray
Ny embona no sisa tonga oriory
Rava ilay fitia, rava teo ny anay
Angamba tsy anjara sentoana ao am-po
Tsy hita nosamborina, kirizana hitohy
Maty ilay fitia, rotika sy lò
Tiana sy lalaina kanefa dia nafoy
Lasa izy kanefa, tsy lavitry ny maso
Jerena tsy ho tamy manganohano teo
Hiantoraka mba ho aiza fa vonton’ny ankaso
Ny alaeloelo sisa no mba namako eo
Ny ranomaso indrisy, afenina aok’izany
Tsy havela hiharihary na abaribari-andro
Maty ilay fitia, lavo tamin’ny tany
Ka nody tsy tamana ilay taratra masoandro.
ILIMIM JIVISDI
Mombamomba
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI

Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 03/03/2016
Mpamangy : 1426
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
EO IMASONAOIanao…
MIHARITRA
FITIA
VOADY MANDRA-MATY
HETRAKETRAKY NY TANY
IANAO NO TIAKO
VAVAKA!
TARAINAN’NY BANDY
ALINA IRAY