Alahelo (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo

Misy maso mahonena
Ary misy fo mijaly
fa sasamiandry manantena
fiainan-tsara hampifaly
kanjo fahoriana sesehena
nampitombo indray ny jaly

fa nandao vao tsy ela akory
ilay andry niankinana
Dia indro fa niamboho sahady
ilay torovana nibaby
Ilay nitaiza sy nikolo
Dia hody vovoka daholo


Tojo alahelo mafy
izany tena ka dia mitanondrika
fa sendra ny ankaso
nampitondra fahoriana
ny kepoky ny jaly
tsy hampitraka na oviana

Vao mba nahita masoandro
dia tojo rahona maraina
Fa lasana sahady ilay nanome aina
ilay tsy sasatra nifoha
sy nihaino ireo taraina

Mafaitra noho izany
ny fiainana ety
fa sompatra mangidy
Ireo andro sisa hany
hizaka ny tsy fidiny
ka higoka aferon-tany

Hany fara hery,nianadrandra ilay mpahary
nivavaka sy nitalaho mba tsy ho very
ilay maintso mba naniry tao am-po
ka hampitraka hatrany hatrany
n'inona n'inona manjo
Dia hikombona avokoa ny fery.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
2548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 07/05/2015 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014