Any izy any (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any izy any
Any ambadimbadika any
No misy ilay malalako
Fahatsiarovana tsy mety lany
No ahitako ilay fitiavako

Tsy noraisiny ho vazivazy
Ny fitiavany ahy etỳ
Fa toy ny raozy anaty vazy
Kanefa nosembanin’ny hetraketraka-pitia

Lozan’izy ireny kosa
Izany nanimba fitiavako niavosa
Tsy hamaly faty aho anefa
Fa aleo hitany izay hiantefa

Kosa aza manome tsiny
Raha ohatra ianao ka tahiny…
Anjara 01/04/2000
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
784 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142