Aza dia mikiry! (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voabaikonao va ny onja,
Handrendrika ny samboko?
Handetika sy hanonga...
Hamarana ny androko

Raha izany no hitranga
Ataoko hoe mahery,
Ny fiainanao no ho banga,
Ka ataovy tsianjery.

Raha vitanao ny hamadika
Ny tselatra ho varatra
Hamono sy hampivanditra
Ianao no tena aratra.

Raha tanteraka ireo
Ka hamingana ny fiainako
Ianao no be toreo
Ho lavitra ny tanako.

Aza mianakendry hamadika ny rasa
Hoe:ny tsioka hivadika tadio
Fa ny nenina aorina handatsa...
Ataovy an-tsaina sy mba tadidio.

Ianao raha mikiry,miezaka hanadino
Ny aty vato makadiry tsy loaka ny tandrimo
Ajanony re ry tiana,ny sangy mihoatra loha
Mba tsy hanapitra ny vina,hapandry tsy hifoha.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
987 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 14/05/2015 12:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147