FANKAHALANA HATOKAKO ANAO (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANKAHALANA HATOKAKO ANAO

Na dia tia ahy ambonin’ny zavatra rehetra aza ianao
Na koa mandinika ahy mandra-pilentik’iny masoandro iny
Dia izao no tsarovy sy ataovy ao an-dohanao
Fa halako ianao r’ilay manan-tsiny

Marina fa teny feno langom-pitia no nasetrinao
Mba hanafenana ireo rehetra ditranao
Kanefa na izany na tsy izany
Halako ianao,halako hatrany anatiko any

Ratram-pitia ve no mba fahatsiarovana omenao ho ahy?
Fijaliam-po ve no sangisangy hoentinao am-pifaliana ahy?
Diso anefa ianao,tsy fahatsiarovana,tsy fifaliana fa fijaliana
Ka noho izany,halako ianao ,tiako ho anao ny ao anatiko ao
Dia ny fankahalana tsy misy hanalàna
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1079 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/04/2015 10:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156