Loza (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Loza
Efa ho herinandro sady ‘zay
Ilay loza nahakasika ahy
Loza tsy mba nampandre
Nampidarabok’ahy teo an’arabe
Voa mafy aho tamin’izany
Raha nianjera tamin’ny tany

Tampoka toa tsy nampoiziko
Kay tena tapaka ny soroko
Nihato ‘ndray aloha ny asa
Nefa enim-bolana no lasa
Fotoana maro am-pandriana
Hitondrako fahoriana

Roa volana aho hak’aina
Roa volana hisaina
Mbola hoavy ‘lay maraina
Fifaliana tsy hay lazaina
Miramirana ny saina
Hihaona indray ny mpiray aina

Isika rehetra mpiara-miasa
Isika rehetra iray vatsy
Mbola hihaona indray andro any
Dia ho foana ny andro ratsy
Hifanohana amin’ny asa
Na ho sarotra na mafy
--------
Rohy:
811 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139