Manina ny tiana (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina ny tiana
Ny tsikitsikin-drailovy sy ny kalokalon-kafom-pararano,
nonafosafo toy ny tsioka amoron-drano,
ka nampanembona any ho any toa valiha
tinendrin'olo-malahelo,manina any lavitra any.
Fa tafasaraka tsy fidy noho ny amin-java maro,
ka dia zary irery, hitambesaran'alahelo mifangaro.
Manisa kintana,mandinika ny volana,
tsy afaka mankaiza,na hitady vaha-olana,
fa toa gadra lava sy zohim-pahoriana.
Asa ianao any na variana sy sondriana,
fa izaho aty malahelo mafy te hitroatra
kanefa na ho vaky fo aza tsy afaka manoatra,
satria tsy lalana an-tongotra, na vitan'hazakazaka,
fa an'alin-kilometatra ny dia an'habakabaka.
koa hanoratra aho hitanisako ny alahelo,
fa mangidy koa no mafy ny andro iray nilaozanao,
raha vitan-jahatra ny any,hanainga aho zao dia izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 10:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138