mifankatiava (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro
Raha mpivady no mifankatia an !
Sarotr’aminy ny hikodia,
Dia hiteraka fitolahy sy hiteraka fitovavy,
Hanasitrana ny malia ,sy ho solon’ny tambavy
Dia haharitra rahatrizay
Ilay fitiavana ho iray.

Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro
Raha mpivady no miara miasa an
Miaramiainga tsy mifandatsa
Dia mahavokatra tokoa tokoa
Sy manantombo amin’ny tombontsoa
Dia manala fasahiranana
Fa tsy misy izay nifanjanana.

Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro
Kirodogorodo ny any Betanimena
Tsy tsara ny mpivady miady an-tsena
Dia tsy manao ny andolom-po
Na manao resaka any ivoho
Fa ratsy izany ka tsy azo ekena
Satria ny Fitiavana no efa nekena

Kirodogorodo ny any Betanimena
Ny tonkantrano re no harena
Tirôliro,voliroliro… Tirôliro,voliroliro…
--------
Rohy:
1267 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 12/05/2015 04:01)
fa inona no dikany le Tirôliro,voliroliro…e! mba hazavao raha mety, teny gasy ve io..miandry valiny e!
JAOANJARA ( 14/05/2015 11:58)
Kilalao,na tsilalaon-teny fotsiny io ary noezahana natao malagasy ihany na izany aza,misaotra ô
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 11/05/2015 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102