MITSANGANA (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ianao malaina
mitsangana dieny izao
fa fifaliana tsy hay lazaina
No ao ambadimbadikao ao

Mandehana dieny alina
ny maraina mbola tsy hay
'zay mazoto no tafarina
Fa ny adala toan-dray

Raha mbola misy ny fotoana
aza mba malaina
miarena dieny noana
valim-bavaka handrandraina

Rehefa injay ka todisoa
Izany lakana nitàna
Hivangongo avokoa
Ireny soa sy hatsarana

Ilay nahary hiandrandrao
Amin’izay fotoana izay
Ny tonombavaka hatanjao
Ka hisaory Izy Ray
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
731 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 11/05/2015 10:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145