You are here: home > Vetso

Naka aina - JAO Anjara

Azo vakiana?

Niala sasatra


Tsy nitsahatra akory ny penina
Fa mba nakaina kely
Ary mbola ho avy indray
Amin’ny teny feno hery

Tsy nivaingana tsy akory
Ny rano fanoratako
Fa niala sasatra natory
Tamin’ny ora famafazako

Tsy  very sanatria
Ny pensily teto an-tanako
Tsy nipirina doria
Fa voatery noho ny asako

Koa rampitso aho ho avy indray
Hamelona ny tsiahy
Ka ilay ravin-taratasy  iray
Hanaitra anaty fo fanahy

Dia ho porofoiko aminao
Fa mbola velona ho ahy
Hitondra ainga vao
Ilay fahanginana tsinahy
JAO Anjara

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : JAO Anjara

Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 11/05/2015
Mpamangy : 880
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tirôliro,voliroliro
“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
TAXI BE
Partout
Dimy taona
Fitia adaladala
Anatra
...Foana