Namako hatrany (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako hatrany

Indray andro anefa ,nanofy anao aho
Ianao izao no hitako teo anoloako
Nitsiky sy nananton hay
Falifaly tsy mba nanana ahiahy

Nanomboka hatreo

Raha vao nahita anao aho
Na dia lavitra aza
Dia tsapako ho nidobodoboka ny foko ao
Eny fantatro,fa tia anao aho

Lazaiko izany fa tsy vazivazy

Eny ,tia anao tokoa aho
Fa tsy fantatro hoe,aiza ny fetra?
Raha mba fantatrao
Dia lazao,ambarao ny ao am-ponao

Fa tia anao aho

Lazao amiko raha ...
Nefa bitsiho amiko raha toa ka ...
Tsy sahaza antsika ny ho iray
Dia handefitra aho,hokoboniko ho hay indray

Ka aza manome tsiny
Fa fitiavako anao io
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
913 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 10:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143