niala sasatra (JAO Anjara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niala sasatraTsy nitsahatra akory ny penina
Fa mba nakaina kely
Ary mbola ho avy indray
Amin’ny teny feno hery
Tsy nivaingana tsy akory
Ny rano fanoratako
Fa niala sasatra natory
Tamin’ny ora famafazako
Tsy very sanatria
Ny pensily teto an-tanako
Tsy nipirina doria
Fa voatery noho ny asako
Koa rampitso aho ho avy indray
Hitondra aingam-panahy
Hamelombelona ny tsiahy...
Hanaitra anty fo fanahy
Dia ho porofoiko aminao
Fa mbola velona ho ahy
Hitondra ainga vao
Ilay fahanginana tsinahy
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
haraldtohaina