Ny fiarahan-tsika roa (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiarahan-tsika roa
Ity toerana ity
Na reo manodidina ahy ireo
Dia samy mirakitra zava-tsarobidy
Ka tsy foiko,tiako rahateo

Rehefa irỳ avy nianatra aho
Ka sendra irery eny lavitra eny
Dia indreo miverina an-tsaiko,mifamahofaho
Ireo rehetra nitantsika,haiku tsianjery

Raha sendra fahavaratra
Ka n any orana aza nirotsaka foana
Dia tsy mba nampiambatra
Fa tonga ihany,tonga namonjy ny fotoana

Rehefa iny indray fa ririnina
Ka nosedrain’ny hatsiaka mamirifiry
Io isika roa,rehefa hariva,nifamihina...
Zany no porofo ka nataoko “souvenir”

Izany rehetra izany
No fotoana niarahantsika roa
Efa tany aloha izany mbola mitohy hatrany
Ka ny mamy niarahana no fehiny atolotro
Izany voarakitra ao am-poko,ao aminao ihany koa.

Anjara 21-05-13
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1034 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 10:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0184