Ny Fitiavako anao (JAO Anjara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Fitiavako anao

Indro ho lazaiko anao
Eny manko, fotoanany izao
Hanambarako ny ao anatiko ao
Dia tsy inona fa ny fitiavako anao

Ny fitiavako anao, tsy azonao tsapain-tanana
Ny fitiavako anao tsy hitanao ho tazanina
Ny fitiavako anao toa tsy ho haiko ho faranana
Ny fitiavako anao tena saro-patarina

Kanefa, raha zohina tsara
Dia tsy sarotra ny manambara
Fa ny fitiavako anao tsy tantara
Fa vokatry ny fo ho anao ry malala

Fa na inona ataon’ireo tsy tia sy mpankahala
Ny fitiavako anao tsy ho voazara
N’inona n’inona aton’ireo fahavalo
Ny fitiavako anao tsy azo atakalo
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1732 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : JAO Anjara
Inséré par : JAOANJARA
Date : 08/05/2015 10:09
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141