O! Ry tiana nefa... (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O! Ry tiana nefa...
O! Ry tiana ry malala
Notiaviko hatry ny ela
Toa manjary mankahala
Sary sia no navela

Ho fahatsiarovako ny lasa
Sy ny vita teo aloha
Satria nivadika ny rasa
Ka toa nofy avokoa

Tsy avy amiko anefa
Na vay aminao koa
Fa ny anjara no niantefa
Dia ny anjara,n-tsika roa

Na dia mamiko aza aianao
Na dia tiako sy lalaiko
Dia afoiko tsotr’izao
Fa hafa indry no ilaiko

Fa toa androm-pivahiny
Tao niserana nandalo
Ilay fiarahana fahiny
Toa lasa mpifahavalo

Tsy hosainiko intsony
Ireny lasantsika ireny
Fa ny foko efa tony
Ka aleoko tsy miteny

O!ry mamiko taloha
Izay nomeko ilay fitia
Toa torimaso tsy nifoha
Ilay isika mpiara-dia

Ka izany no anjara
Aleo hivalona ho tantara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
783 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 08/05/2015 09:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139