You are here: home > Vetso

Sary nofy iray! - JAO Anjara

Azo vakiana?

Fahagagana mihoatra loha
Ilay nofy lalina azo tsindry
Tsy noheveriko hanindroa
Ho tanteraka, mandíny...

Fa kisendrasendra anaty aligna
Ilay sary iray izay nosoritako
Tsy nampizo tory androamanalina
Fa tonga vantana no hitako.

Sary iray nataoko tamin-tsaoka
Noheveriko ho sinangin-jaza
No indro nanatona sy niloaka
Tiako hianao ary manan-danja

Nofinofy nataoko hoan-dririnina
Fanadinoina raha maraina
Nampivandra ny mpanirina
Sy nampitsangana malaina

Sary nofy iray toy ny Ambiroa
Nampitsiry ny fitiavako vao mifoha
Nandrendrika ahy sy nanaitra atidoha
Tonga vatana tsy foiko sy nambabo fo.

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : JAO Anjara

Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/05/2015
Mpamangy : 1115
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tirôliro,voliroliro
“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
TAXI BE
Partout
Dimy taona
Fitia adaladala
Anatra
...Foana