Tia loatra (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia loatra

Izay rehetra tianao,no mbola ataoko hatram’izao
Fa mafy koa raha mafy,ny hilaozanao
Kanefa fantatrao,dia araraotinao
Ity kamboty kely tena tianao
‘Zay efa babonao sy potika aminao
Ka mijaly sy miafy noho ny aminao

Fa mbola ho avy ny andro…,hanenina ianao
Hibaboka alina sy andro ,rehefa lasana aho
Ka am’izay fotoana izay,hitaraina sy hitalaho
Fa ranomaso tara tsy hampody maina taho,
Hany sisa hery, dia hiosin’andavenona
Hanetsikeloka,hanambara koa fa nitia ianao.

Anjara 11-01-09
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/04/2015 10:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157