TSY HO TANTARAIKO (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho tantaraiko
Tsy ho tantaraiko ary tsy lazaiko anao
Fa mbola velona ato am-poko ‘lay fitia hatram’izao
Fa fony isika niaradia niloka ho doria
Dia tadidy mandra-maty,ilay dinam-pifankatia


Angamba maty hoy ianao ka tsy hamaka intsony
Diso anefa ianao fa injao tsy mety tony
Fa voafitakao ka mangina hatramin’izao
Tsy manam-pidy intsony rehefa injay nilaozanao


Dia hokoboniko ho ahy irery ilay fo feno fery
Tsy ho fantatrao naoviana ho lasa misitery
Fa mbola hiverina ianao rehefa vita izay natao
Saingy indrisy! Efa tena tofoka aho.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
968 0
Hevitra mandeha
endrika01 ( 17/04/2015 08:46)
zay miints no mety,aiza tantaraina fa ndrao hanararaotany indray.
narasoa ( 18/04/2015 15:10)
marina zany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/04/2015 10:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149