You are here: home > Vetso

Tsy kivy fa mitady - JAO Anjara

Azo vakiana?

Raha mbola velona ny aiko
Mamelon-tena sy mitady
Mifoha maraina miandry baiko
Miantsoroka angady

Mitady vola hamelomana
Ny ankohonana sy ankizy
Satria velona mba homana
Am-piatrehana ny adidy

Asa mafy no miandry
Na izany aza tsy kivy
Atao an-kira sy kisangy
Fa hatsembohana no amidy

Adidy masina no atao
Manatsara tokantrano
Fiainan-tsambatra hiandrao
Ho tsofin-tsoa ny rano

Mahereza re ry tena
Miatadiava,matokia
Dia ataovy am-pahendrena
F'ity adidy ho doria.

Sokajy : fiainana

Mombamomba

Mpanoratra : JAO Anjara

Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 16/05/2015
Mpamangy : 1437
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Tirôliro,voliroliro
“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
TAXI BE
Partout
Dimy taona
Fitia adaladala
Anatra
...Foana