Fasana faharoa (Jean-Joseph Rabearivelo)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fasako, fasako ihany,fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray, faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy,
no manafina an'io fasana io
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
mitampody ka sarotra ialana
Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
Ao ny tsantan'ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!
Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!
Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!
Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray faharoa!
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

aladin
(
24/05/2004 19:35)
anisan'ny tononkalo tena tiako indrindra io!Mahagaga fa ny tononkalo maneho alahelo foana no tiako indrindra.

Andriambelo
(
08/10/2004 11:01)
Tsy mahagaga izany ry Aladin, ireo "romantique frantsay", toa an-dry Alfred de Musset ohatra efa niteny hoe "les plus désespérés sont les chants les plus beaux".

jlambout
(
09/03/2005 00:56)
the best dramas make the best movies

karako
(
22/08/2006 11:05)
Tsy hitako izay ho lazaina. Tsara ! nefa ohatry ny mampatahotra izany ny mamaky ny tononkalon'i JJ Rabearivelo. Fahadisoampanantenana lava....

louva
(
05/03/2007 05:47)
Nanan-talenta i J.JRabearivelo. Tena mahafinaritra ny sangan'asany: mifono misterin'ny fiainan tsika olombelona.

salema
(
21/10/2009 07:36)
J.J Rabearivelo ilay manoratra tsara indrindra raha teo @ fanoratana tonokalo voadona anisany ireny mandona tokoa raha ny azy raha mamaky ny voasoratra rehetra isika za de makasitraka ny zvt sorata misaotra ny ireo tanora mbola mamerina ny sangan asany

miora4
(
03/06/2015 18:00)
Tsara tena tsara io tononkalo io :) nefa dia mampalahelo fa tena vitsy ankehitriny ny Malagasy mahavita toa io

carhreine82
(
02/05/2016 09:20)
Anisany mpanoratra tiako i J.J. Rabearivelo ary ankafiziko sy ireharehavako ireo sagan'asany!!! Indrindra ilay "fasana faharoa"

ramasinavalonanicals
(
09/03/2017 17:32)
ten anisan tonokalon'i J.J.Rabearivelo tiku ndrindra iu

fanjolee
(
06/06/2017 07:58)
Tsar be io tononkalo sad b pitia no tik ar anisan mpanoratr tik b i JJRabearielo