Amalona sy sahona (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Matin-kaninkely toa amalona"

Indray takariva nandrahona :
Taitra ity sahona
Fa tana-mangeja, farango mandratra
Namely ny tratra !
Dia nandro tsy fidiny tao ankamory ;
Nandao ny sakaiza niaraha-nivory,
Ka very ny tory !
Amalo-masiaka no mba nihantana :
"Vonjeo aho, dada, fa ngoly sy ana !"
_ "Mangìna fa remby !" _ Nandrapaka izy
Kanefa voafintana mora rankizy !

Izay no tantara mba tian-ko lazaina ;
'Zay hendry, misaina !

Voambolana :

Farango : fiteny antemoro, ilazana taolana lavalava noranitina ny tendrony roa, natao solom-pintana, eo antenantenany no asiana ny kofehy.
--------
Rohy:
433 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137