Vonim-boasary mihintsana (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Tsy misy vao tsy ho manitra, fa rehefa tonta sahala ihany"

Indray lohataona, nanao fampitaha
Ny foto-boasary tanatin'ny saha ;
Ka samy nanao fara-haingo vazaha :
Batista fotsy natao tsara didy,
Nasiana galom-bolamena voafidy,
Nilafika ravina soa sarobidy !

Ny hanitra indray ve ka hita holazaina ?
Fa izany 'lay hoe "mampitsanga-malaina".
Seranany monja dia velona ny aina !

Ny renintantely nanampy ny lolo :
Vahoaka sy tafika iray manontolo,
Tsy mamo mizaha, fa revo daholo.
Ka nony nisaraka, satry ho fohy
Ny alin-kandriana, fa tiana hitohy !
Ny zavatra tsara nirina hanjohy !
Fa nony maraina, odrey ! Zanahary !
Ny rivotra ratsy mpanimba ny vary
Nanao sovok'alina… odrey ! Maharary !
Nahintsany, mantsy, ny vonim-boasary !

Ka moa ve tsy izany
Ny fiainana an-tany ?
Ny fo 'zay mifaly
Dia mety hijaly !
--------
Rohy:
828 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0684