Fandrotrarana sy voara (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Izay miringiringy no ho potraka"

Tery antampom-bohitra miteza
Dia nisy foto-kazo (voara ngeza),
Izay nandrantsana, nisondrotra avo :
Fihaonam-borona miravoravo !

Ny voany manitra tsy hita isa ;
Ny alokalony toa paradisa :
Ny mpivahiny trotraka sy ana,
Dia eo no miery 'zany hafanana !

Tsy lavitra ilay hazo makadiry,
Dia nisy fandrotrarana naniry,
('Zay efa noharina tsy hijoro),
Voahosin' ny mpandalo teo ka toro !

Ny mpiara-monina mifankalala
Mba misy ihany izay mifankahala :
Ny kely mialona ny manan-kaja,
Ny lehibe mamoritra ny zaza !

Kanefa, eto, dia rangahy voara
No tena hita maso fa tsy tsara :
Naneso, nanaratsy sy naniva
'Lay bozaka, maraina sy hariva.


Endrey ny fanarabirabiny azy !
Dradrainy mafy fa tsy vazivazy :
- Mahantra ianao, rafandrotrarana,
Fa tojo vintan-dratsy sy fiangarana !
Avia manatona, halofana !
Avia mananika, harovana !

- Misaotra, hoy ilay bozaka, misaotra !
Izay mba hany raviko mazaotra ;
Kanefa izao no zarako sy tendry !
Izay mandà ny lahatra tsy hendry !

'Lay hazo ve honena ka hitsetra ?
Tsy izany, fa nanozona, etsetra !
Ny latsalatsany tsy hay lazaina :
Mangidy, tena latsaka amin' aina :

- Ny rantsako vaventy, mahatoky ;
Ny vokatro matsiro, mahavoky !
Ise ry Fandrotrarana, indrisy !
'Zay asa holazaina tsy mba misy :
Malemy sy mandady lalandava !
Izaho Voara, fantatrao mazava :
Jereo ! tomady, miran-tava !

Ny fiandrianako dia tsy ho rava !

- Izaho dia malemy sy mandady ;
Anefa mba hiteny ka aza fady :
Tsy mampihontsona ahy 'zay hanjo ;
Ononiko mihitsy 'zany fo !
Izao anefa : 'tony halemena,
Dia lalana handraisam-pamonjena !
Tsarovy fa ilay amontana avo :
Nasian' ny rivo-doza teo ka lavo !

- Odrey ! dia 'zany foana ! Sanatria !
Ry varatra sy rivotra, o ! avia !
Ho menatra itsy rafiko mahia
Fanitsaka ao ambany faladia !
'Zay fandrotrarana no basy vava,
Hanelingelina ahy lalandava ?

- Andraso, fa ho hita ! hoy Rafandro !

Ka inona, fa nony tolakandro,
Injay, rivotra nifofofofo !
Ny vovo-tany koa nitora-jofo ;
Ka raiki-tahotra avokoa ny nofo !
'Lay rambon-danitra dia tsy nitsitsy.
Ingahy Voara niongotra mihitsy,
Ka hany sisa : faka vitsivitsy !

Nangaina ilay mpaneso sy mpihaika,
Natoky tena, kanjo diso paika !
Rafandro, 'lay malemy, tsy niraika !

Ry zanako malala ! mihevera.
Fa izay mirehareha dia hianjera !
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fananarana
1365 1
Mpakafy: jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149