Gisa sy dokotra (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Lohalika sy laferana : ny mikomotro, mavo ; ny mandefi-mandina".

Indray fahavaratra : tonga ny rano !
Dia faly ny dokotra, samy lomano !
Kanefa nanatona ity gisalahy :
Nanao ambozizy, nanao sahisahy !
Voakapoka mafy ity dokotra kely ;
Dia taitra ny rainy, ka saiky hamely !
Fa tamy nanatona kosa ny maro,
Ka sady nananatra an'itsy no niaro :
Nanao toho-tsofina, velon-korana :
" Raha izao no mipaka, dia ady mafana !
Isika handresy, fa "be noho vitsy" ;
Kanefa ny mety, dia "aoka mihitsy !"
Mandefitra aloha no mety amintsika,
Fa izay feno avona mbola hihìka !"

Dia lasa ny dokotra nanahy lamba.
Kinanjo Ragisa voapaokan'ny mamba !
Nanonja ny rano ! Voadona ny herana !
Ka izao no fiteniny reko niserana :
"Toneo mba halemy ny fahatezerana,
Fa tsara miafara ny tia fandeferana !"

Voambolana :

Laferana : tokony ho "leferana", avy amin'ny lefitra, milefitra, ileferana.
--------
Rohy:
489 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186