Ilay sokatra sy tanalahy (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Roa lahy miditra ala, ka izy tokiko, ary izaho tanjany"

Raha ianao no mino, fa io mpanompo sampy :
Mpiara-monina, e, dia aoka hifanampy !
Tany Sandranavy, vohitra any Ibara,
'Zao no tafasiry efa reko tsara :
Nisy, hono, sokatra antitra sy jamba
(Biby hafahafa, toa karaza-mamba?) :
Niakatra an-tanety, nidina ao an-kona :
Kibo noana lava, loha koa voadona !
Heriny : namitsaka eo ambody hazo,
Toy ny mpivahiny lanaky ny tazo.

Ary nisy tanalahy nanantsafa :
"Zovy ? Biby ? Vato ?" _ "'Zaho fa tsy hafa !"
_ Iza ?" _ "Sokatra antitra efa poaka !"
_ " 'Zany gadralava tsy afaka mivoaka ?"
_ "Ory foana ! Maty lava ! Mahonena !"
_ " 'Tesa anie aho !" _ " 'Zao no hevitro, razandry :
Mbola henjana ny tongotro sy sandry !
Aoka hiaraka fa samy ratsy bika !
Fikambanana no mahasoa antsika.
Ary izaho : tongotra ; ianao ho maso,
Ka tazàno tsara izay manao ankaso !"
_ "Eny, hoy ny tana, raha misy haza :
Hiara-misalahy, fa izaho no hilaza !"

'Zay no velirano ! Oainy, fa niantsampy !
Mpiara-monina, ô ! Mahaiza mifanampy !

Voambolana :

"Tesa anie aho". _ " Matesa, anie, aho !"
Ny reny mangoraka ny zanany naratra na marary.
... anie aho sombin'aiko!"
--------
Rohy:
532 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142