Saobakaka sy tsindretra - Johanesa Rakotovao, mpitandrina
Azo vakiana?
"Tsontsam-paika ka matim-bela"
Omaly, fa tsy ela :
Bakaka sy 'Ndretra nikatroka vela !
Nafana ny paika
Fa samy tsy maika !
Harefo sy herana sy ny zozoro :
Tsy nisy nanoro !
Jambena Ibakaka
Ka niala ny laka :
Nofoinan'Indretra
Ka tora-mitoetra !
Ny toho sy trondro dia indray nisahotaka,
Indray nitanaka toa mamon'ny fotaka :
Tsy sahy nijery,
Fa voa ny mahery !
Ranito ny saina, rankizy malala,
Fa dia mahamenatra ny "be adala !"
Voambolana:
Nofoinana : natao tapi-dalana, tsy afa-mikofoka intsony. Maty ny fanorona rehefa izay no izy.
Mombamomba
Mpanoratra : Johanesa Rakotovao, mpitandrina

Nampiditra : Jantina
Daty : 01/08/2019
Mpamangy : 505
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsiriry nilanonaVorona mifidy mpanjaka
Vonim-boasary mihintsana
Fody very anaka
Vano nizaha tandindona
Tsintsina nanao akany
Tsikirity momba fody
Lambo sy tanalahy
Tanalahy sy angidina
Ilay sahona sy ny bibilava ary ny takatra