Zana-tsora telo (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Mandehana dieny malaina, fa raha mazoto tsy afaka intsony !"

Kely be tohika ireto zana-tsora ;
Ka tsy nino anatra, na teny mora.
_ "Taomy, re, rankizy ! Betsaka ny kila !"
_ "Valaka aho, Neny ! Rahampitso mila !"
_ "Ary moa ny kila tsy mandoto zaza ?"
_ "Sady hanin-dratsy mankarary aza !"

Zana-tsora telo, kamo, be famaly :
Mbola hitokiky, noana sy hijaly !
Tapitra ny kila ; lasa ny fotoana !
Nefa ny voàngona, indro, kely foana !
Avy ny Adalo, tonga ny Laifito :
Raha anio no voky : mosarena ampitso !
'Zay vao nety hendry 'reto sora telo.
Nefa resy mafy ! Gaina ! Nalahelo !

Tano ! Tadidio ! Venteso mba hiraona :
Avona sy laina, hahavita taona ?"

Voambolana :

Kila : valala may eny an-tanety, angonina hamahanana ny vorona na kisoa.
Adalo : volana fahairaikambinifolo, amin'ny fanisana araka ny fandehan'ny volana. Eto kosa : ilazan'ny Antemoro ny vanin-taona be orana (mazàna faran'ny janoary _ lohan'ny febroary).
Laifito : fotoana isian'orana herinandro maninjitra, saiky mifanitsy amin'ny Adalo voakasika teo. Lazain'ny Ntaolo fa fitomany lava, ny zaza teraka amin'izany volana izany, izay mazàna atao hoe : "Adalo be ranomaso".
--------
Rohy:
444 1
Mpakafy: Jantina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137