You are here: home > Vetso

2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA - KIRIAH



Miridana eran' ny efitra
lay sarintsarin-tsetroka
mitory ny eritreritra
mameno ny any ampony
ka tsy tsaroany akory
ty zaho eto anilany
mihaino ny fihiran'
ilay sary te ho soratra
dia loko iray mamboraka
ny any an-tsainy lalina
tsy takatro takarina.
Dia io fa miaka-midina
lay tanany mivimbina
ty ODY HAFAKELY
ho eny imolony eny
siokan-tsento tselika
no mifanefitrefitra
amin' ny handriny akentron'
ny donam-betsovetsony
ka  mila tsy ho tratrako
izay tokony hosoratako
fa efa mihakely
lay eny an-tanany eny
angamba tsy aharitra
dia tonga hoy aho lay faritra
tsy maintsy hanariany
ty ota ikafiriany....

tampotampok' eo :

Gaga ianao mitodika
mijery ahy manoratra.
ôh ! fantatro mazava
na tsy lazainao aza
ny  fitia anatinao.
Fantatro mihitsy
rehefa ianao mitsiky.
dia iny ianao nanipy
lay baorika sigara
TIAKO IANAO MALALA a!

KIRIAH

Hevitra mandeha

karako (28/07/2014 20:17:17)

Tsara ilay tononkalo (fa tsy ilay sigara an :-))

andry 1000 (26/03/2015 06:49:59)

tsara e! mahafinaritra misy lesona azo tsoahina

Hametraka hevitra

Midira aloha