Sekoly ambony - KIRIAH
Fa tiako ny fijeriny
Tiako ny fiteniny
Tiako ny edinediny
Zay mety ho redirediny.
Tiako ny avonavony
Tiako ny anjonanjony
Ny famindra sy fijadony e!
Manitra ny akanjony.
Tiako ny firesany
Tiako koa ny toetrany
Tiako rehefa izy :
No manadina izay tsy izy.
Ny hasarotam-piarony
Reo ady sarintsariny
Ny dongy amboarimboariny
'Lay feo farimpariny
Tiako ref'izaho
No babo tahak'izao ...
Sekoly taiza loatra no nanofana anao ?
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2020
Mpamangy : 517
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ATSY ANANONA ATSYMIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA
TIAKO