You are here: home > Vetso

HIRAN' ny KINTANA - KIRIAH

Azo vakiana?

Valin-kira ho an ´ i Kintana Hasimbola

Ho inon' ny fisiana mahantra fahasahiana
Zay ho mety ho fihodikodin ' ny bolabola tany ?
Ny lanitra , masoandro , ny vola-mitsilany ...

Moa afaky ny ho mirana
Raha nofy izay makirana mahadibo-dranon' ivy
No ndeha hotaina lava ?
Moa azo Omena aliaka va ny mofo an-tanan-jaza ?

Tsy diso anefa ianao

Fa Misy fiononan ' ny hirifiry ihany Mitanîtanin' eto
Misy feo mivetso
dia HIRA miampy VAZO
Rehefa injay  miankanjo  
Rehefa injay mianjaika amin-KINTANA    malefaka
( mandamin ' eritreritra )
Ny lanitra fitiavana

Tsy diso ianao rahavana !
FA n ' inona  ririnina :

Satriko io banjinina é !!!  :)

KIRIAH

Hevitra mandeha

hjravs (18/06/2015 03:42:34)

Mankatia 'za e!

andry 1000 (18/06/2015 03:56:55)

tena tsara le tononkalonao!!! misy ambadika lalina sady mila vakiana intelo na mihoatra vao azo tsara a!! tena kanto loatra! anisany henjana enao!! mankafy e!

kiriah (18/06/2015 04:19:54)

Misaotra ô !

Hametraka hevitra

Midira aloha