IZAHO sa IZY ? - KIRIAH
Io ianao :
Manara-maso fotsiny zay fihetsiky ny sorony
Misambotra ny hanitry ny fihifiky ny volony
Dia makamaka sary ny dolan 'itsy vatany ( Anaty ankanjo anatiny )
Aoka sao dia matiny e !
Ho Babo sy maratrany lay kiry manantena
( Mihombo anatinao )
K' ilaozy dieny zao! , Dia aoka hijanona any
Reo sary mahasambatra ny fonao maminany
Tsy afaky ny haneno letsy ny any ambava-kary a!
Dia etsy koa fantaro ! :
Fa tsy tomany menaka ny molotr' efa mandina
Tsy miandry volo andrakotr' hono ny henatry ny handrina
Ny manadino manko lainga fa tsy mora
Saingy hevitra magoran' ny kely fofon ' aina lay manantena tsisy
Ny manana ny FOLO ve no hivarotan-TSIVY ?
Etsy izatsy izy !
Meteza hoy aho tantanako
F' angaha ananan' iny ny fitiavana ananako !???
KIRIAH
Hevitra mandeha
hjravs (27/03/2015 06:54:44)
tena mamy marikivy
fa voatsindrin'ny sivy
'lay valo taty!
Aleo aho haka fy e!
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 08/03/2015
Mpamangy : 2186
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA
TIAKO