NGAHY LE MAIRE Ö !!! - KIRIAH
Azo vakiana?
Ô ry Ngah le maire ô!
Ilazao ny député
Fa potika daholo ary ringan' hono hoe
Ny seza ,dabilio , varavarana, fitaratra ....
Tsy rariny ary ve raha ho kamokamo reo mpampianatra
Ny tafo mitete
Tsy misy gaboné
Hatramin ny paompy avy no midongy tsy mandeha
Mitokona matetika ny mpianatra eny ankatso
Ny fiainana mihalafo
Ny vola mba anjarany anefàny lay fianarany
Tsy hita popoka
Nef' ianareo mivoaka
Toa igagàm-bahoaka
Ny Vam milay sy ny sisa tahak'izay
Ô ry ngah le maire ô!
Ilazao ny député !
Mba nankaiza marina reo vola ramose ?
Lay vola fanampiana notrosaina tany ivelany
Fa tena mba TSY ERANY
No entin ' ireo mpianatra
Mifofotra ny hianatra
Kanefa tsisy fika
na miantso, mikiakiaka
Asio fiheverana e ! Ireo SEKOLINTSIKA
KIRIAH
Hevitra mandeha
ILIMIMJIVISDI (21/12/2014 22:21:47)
Tiko B lay gadona!!! indrindra 'lay namoahanao azy t@ fomba malala-drafitra!
seul110 (22/12/2014 04:45:34)
Mahafinaritr'eeeee!!! tafita any @zareo tsara angamba ny hafatra.
nannie (22/12/2014 09:31:41)
Tiako koa, sady marina no tsara rafitra fa misaotra.
kiriah (16/06/2015 15:42:47)
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 21/12/2014
Mpamangy : 1841
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HISY AHY
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA
TIAKO