HISY AHY - KIRIAH
Mbola hisy sariko hanatsiaka mangina ny fahatsiarovanao
Hisangy an-kafetsena ...
Fa hono faharesena ny avalona tanteraka
Na koa ny fanekena, hajanona , hapetraka
F' izaho angaha paraky
No ataonao tsipi-drodra hihosona amin' ny tany
Rehefa injay ka lany ny tsiro nahafanina ?!!
Tsy maintsy ianao ho manina e !
Mbola hisy tsikiko hamangy ny alinao amin' ny ora fahatelo
INY no mpamoha ny akoholahy maneno, amin'ny antsa kôkôriko !
Fa ny amintsika kosa ... hamelovelo an-driako !!!!
Ary mbola hisy hanitro eny an-tsefatsefany eny
Hamerina tadidy
Io ho indray miserana ka tsy voatazona ela
Toa sery mangidihidy
Dia hisy IANAO MISENTO sy lasam-betsovetso lalovan'ny tandindoko
Ary hisy ahy maneso ny fiezahanao AMIN ' NY TSIARO TSY ARINDRIKO.
Avela hisokatr'eo ?!
Toa mahasambatra ahy ianao midiridiry
Lalovako matetika, dia pihiko maso kely, f' izaho angaha hivily ?!!
KIRIAH
Mombamomba
Mpanoratra : KIRIAH

Nampiditra : kiriah
Daty : 24/06/2015
Mpamangy : 1636
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Sekoly ambonyATSY ANANONA ATSY
MIOMBON' ANTSA
VOASORATRA
HIRAN' ny KINTANA
SAMBON'ADY
IZAHO sa IZY ?
NGAHY LE MAIRE Ö !!!
2 MINITRA sy 31 SEGAONDRA
TIAKO