You are here: home > Vetso

MIOMBON' ANTSA - KIRIAH

Azo vakiana?



Tsy   tafandry mandry ny moka eto lala ô !!!
Misioka manadala ,
Mihaodihaody an-tsofiko ,
Manangan' ady foana amin' ny tory sy ny nofiko ,
Mikiririna môla dia miakatra sy midina .
Ny hafa no voalatsa ho : LOHALOHAN' ANGIDINA ,
Kanefa ito mihitsy no teritery saina
Sy tsy mahay miaina

Sa kosa savolaina tahaka ahy ihany !?

Miandry ny maraina d' injany mitomany
Lay moka adala ity !

Mikaroka lay tiany ampoto-tsofiko  any
Mamoha ny foko tia !

KIRIAH .

24 / 10 / 2015 , il est 01h 17mn

Hametraka hevitra

Midira aloha