ANKEHITRINY (Lahatra Natiora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKEHITRINY

Nifanena foana isika
Isan'andro, isan'ora
Saingy mbola nangatsika
Ilay fitia toa feno akora

Ankehitriny dia mitsiry
Ilay fitia tanaty foko
Ka manjary te hikiry
Hanoratra azy ho velon-doko

Ankehitriny koa anefa
Tiako ho foana ato anatiko
Ndrao ho diso fiantefa
Ity foko ka tsy ho tantiko

Lahatra Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 24/02/2021 09:20
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103