MITRAKÀ RY GASIKARA (Lahatra Natiora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITRAKÀ RY GASIKARA

Ô ry Nosy manirery
Mijoroa ka mitrakà
Aza ilaozanao miery
Maro no mba te hizaha

Ireo ranomasina mpamefy
Manamafy ny hatsarany
Ary ny alanao mirefy
Manatsara ny tantarany

Ireo hakantonao fahiny
Mbola tiako hojerena
Na dia hita ankehitriny
Fa niova, ô ! Mahonena

Na dia niova aza anefa
Tsy mampiova ny fitiavako
Toa vao mainka mampiantefa
Satria ao ny tena havako

Ô ry tany niaviako
Miverena mba ho soa
Ka izao no faniriako
Mba ho tretrika tokoa

Mitrakà ry Gasikara
Miezaha ho soa hatrany
Ka ny zanaka sy fara
Ho tamàna, ho tompon-tany !

Lahatra Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 24/02/2021 09:15
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112