Tiako ianao kanefa... (Lahatra Natiora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao kanefa...

Ny andro iray voaloha
Nihaonantsika roa
Dia nisy dobok'onja
nanonja dia nanonja niserana tanatiko
Ary mila tsy ho tantiko
ny nibanjina nijery ireto masonao mamiratra
Fa lasa tia anao 'zany foko adaladala
naniry mafy indrindra ny hiantso anao ho "malala"
Saingy... tsy azoko natao ny nilaza taminao ny fitiavako satria :
Na aza hoe nandoro 'zany afon'ny fitia
tiako haboraka amin'dry
Mantsy izany foko efa manana ny tompony, efa manana mpitia
Ka aoka tsy hambarako
ny nofinofy adalako
Fa ny dinan'ny fitia nomeko ilay lalaina
Izay no 'ndeha hohajaina
Fa tokana ny foko ka tsy azoko zaraina....

Lahatra Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 11/02/2021 02:16
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0613