Misy fitia (Lahatra Natiora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fitia

Misy fitia vaky tsiry
Te handrobona toa voninkazo
Anatin'ny fo te hikiry
Te hamelana mba tsy halazo

Misy fitia vao namelana
Miloko ny loko dorehitra
Tsy hay raràna na aza noferana
Vao mainka nalaky nirehitra

Fitia tian-kiampita amin'ny tiany
Kanefa tsy sahiny ambara
Fa ndrao hono mantsy ho tsiny
Raha izy handà tsy ho anjara

Mazàna hono mantsy ny tiana
Tsy tia ny fo izay tia azy
Ka tsy aleo ary aloha ve mangina!
Sao heveriny ho vazivazy

Lahatra Natiora
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
456 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lahatra Natiora
Nampiditra : lahatranatiora
Daty : 08/07/2021 09:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139